Nankalazaina omaly, tany Portsmouth Angletera, ny faha-75 taonan`ny fanombohan`ny ady lehibe faharoa.
Tonga nanome vonihaitra izany ny mpanjakavavy Elizabeth II, ny praiminisitra anglisy Theresa May, ny filoham-pirenena frantsay Emmanuel Macron ary ny filoham-pirenena amerikanina Donald Trump. Nanatrika tao ihany koa ny praiminisitra kanadianina Justin Trudeau sy ny “chancelière” Angela Merkel, nisolotena ny firenena alemaina. Naharitra adiny iray ny fahatsiarovana izay niafara tamin`ny tifitra tafondro niainga avy amin`ny Royal Navy sy fitsidihana nataon`ireo fiaramanidina Red Arrows. Nanamarika ny tsiahy ihany koa ny fahatongavan`ireo zokiolona britanika 300 isa izay niainga tany Frantsa ho fahatsiarovana ny Frantsay manokana. Ny nampalahelo kosa, hoy ireo mponina tany an-toerana dia nofefena vy ny lanonana ka tsy nahafahan`izy ireo nanatrika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.