Actualités

Ady ho amin’ny fahalalahana Miray feo ny Vahoaka sy ny Mpanao gazety


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Mbola mitohy etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely etsy amin’izao fotoana izao ny fanangonana sonia ataon’ireo mpanao gazety mivondrona ao anatin’ilay hetsika Fitakiana fahalalahana mba hanoherana ilay lalŕna sy sata mifehy ny fifandraisana eto amintsika.

Noho ny fahatsapan’ireo olom-pirenena mifamezivezy eto an-drenivohitra ary fa manohintohina ny fahafahana sy fahalalahan’ny  rehetra mihitsy izy ity fa tsy ny mpanao gazety fotsiny dia efa nahatratra maherin’ny 8 000 sahady tamin’ny sabotsy 3 septambra teo ny sonia voaangona avy amin’ireo olon-tsotra sy mpanao politika ary mpanao gazety hanehoana fa tena tsy sitraky ny ankamaroan’ny olona tokoa fa tsy sanatria 40 na 50 araka ny fivoin’ireo te hanimba ny hetsika ihany, hoy ny mpanao gazety Fetra Rakotondrasoa,  ity lalàna vaovao ity. Tsy hijanona eto moa fa hoentina hatrany amin’ny faritra ihany koa ity hetsika fanangonan-tsonia ity ary hitetezana fokontany sy tambajotran-tserasera isan-karazany, raha ny fandaharam-potoana voalaza hatreto.

Faralahimatoa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT