Nifarana omaly alakamisy 4 aprily ny atrikasa natao nandritra 2 andro tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina nanaovana ny tomban’ezaka nasionaly mahakasika ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana.
Nanohana ity tomban’ezaka ity amin’ny lafiny ara-teknika sy ara-bola ny Banky Iraisam-pirenena sy ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD), izay hijery hatrany ny toerana misy an’i Madagasikara mahakasika ny ady atao amin’io famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Natao ihany koa izao mba hitarafana ny fahalemena sy ny lesoka ny rafitra ary ireo sehatra mbola voakasika rehetra. Tsiahivina fa efa nisy ny tomban’ezaka natao tamin’ny herintaona niarahana tamin’ny teknisianin’ny Banky Iraisam-pirenena ka harafitra ho paikadim-pirenena hiadivana amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Tompon’antoka amin’izany ny SAMIFIN, indrindra ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tahaka ny fitondram-panjakana izay misy ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna ary koa ireo rafi-pitsarana maro. Nodinihina nandritra ny tomban’ezaka ny endrika hisian’ny famotsiam-bola eto Madagasikara sy ny fahafahan’ireo sampana miady amin’izany manatanteraka ny andraikiny. Nanaovana jery todika ihany koa ny dingana efa vita sy ireo lesoka maro tokony harenina ary ny fepetra tokony hapetraka hampahomby ny ady atao. Voafetra ihany ny asan’ny SAMIFIN satria rehefa vitany ny andraikiny ary voamarina fa misy famotsiam-bola dia ampiakarina any amin’ny fitsarana ny raharaha (chaine penale). Mijanona hatreo izany matetika kanefa ao no tena misy kolikoly avo lenta ka tsy misy tohiny intsony ilay afera fa lasa“dossier classé” hatrany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.