Actualités

Ady amin’ny varotra fanafody eny amoron-dalana Adidin’ny rehetra, hoy ny minisiteran’ny fahasalamana


  • Alatsinainy 15 Aprily 2019

Mirongatra hatrany ny varotra fanafody tsy ara-dalàna eny amoron-dalana eto amintsika. Anisan’ny tena malaza ary toerana fandehanan’ireo marary mila fanafody na mitsabo tena maharitra ny eny Ambohipo ka raha vantany vao mandalo ny olona iray dia efa misy manontany.

 

 

 

 

 Tsy misy izay tsy mikolay ny fisian’ity varotra fanafody tsy ara-dalàna ity anefa  ny rehetra, indrindra fa ireo efa tratry ny fanafody lany daty ka sady very vola no diso fanantenana. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny teo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia nambaran’ny profesora Solofomalala Gaetan, tale misahana ny tolotra ara-pitsaboana ao aminy fa ady iarahan’ny rehetra manana ny fividianana fanafody tsy ara-dalàna eny amoron-dalana tahaka ireny. Rehefa isika mpanjifa mantsy hoy izy no tsy mividy izany fa manaja ny rafitra hapetraky ny fanjakana dia ny fanatonana toeram-pivarotam-panafody ara-dalàna sy nahazo alalana dia ho foana ho azy ireny. Mikasika ny vidim-panafody indray izay antony iray manosika ny olona marary iray  eto an-drenivohitra ho eny Ambohipo dia nambarany fa tsy mpamokatra fanafody isika eto Madagasikara fa manafatra any amin’ireo firenena matanjak toa an’i Inde, Eoropa. Etazonia… hatrany. Izay no antony mahalafo ny vidim-panafody, hoy izy raha manampy trotraka izany ny sandam-bolantsika izay miovaova be ihany. Miantso ny rehetra mba hanatona ny toeram-pivarotam-panafody hatrany, araka izany, ity tompon’andraikitra ity fa tsy hiantehatra amin’ireny fanafody hamidy eny amoron-dalana tsy ara-dalàna ireny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT