Ny sehatry ny asam-panjakana no tena hanjakan’ny kolikoly sy ny risoriso eto amintsika, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Harisolofo Rakotondrabe Andriamihanta.
Tsy tokony hoferan’ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena iray ny ady amin’izany. Tsy rehefa tapitra akory ny 5 taonan’izao fitondrana izao dia tapitra hatreo koa ny ady amin’ny kolikoly fa tokony hanohy hatramin’ny manaraka eo, hoy ny tenany. Misy foana isan’andro ny mpanao azy io. Ity ady amin’ny trondro vaventy ity no tena aleo hisy isan’andro satria rehefa mandinika ireo voafonja eto amintsika dia saika ireo mpanao halatra madinika toy ny mpangalatra akoho sy vilany no tena miafara any Antanimora. Ireo tena nanodina volabe anefa mirehareha ka tokony hankaherezina mihitsy ny sehatra rehetra miady amin’ny kolikoly. Tsy vitan’ny Bianco irery io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.