Tsy ekeko ny gaboraraka, ny fandanilaniam-poana ny volam-panjakana. Tsy azo leferina ny fanaovana tolotr’asa tsy misy asa notanterahina akory.
Tsy azo leferina ny fanodinkodinana volam-panjakana, ka ho henjana ny sazy ho an’izay tratra manao izany, hoy i Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny soratra apetrapetraka eny amin’ny biraom-panjakana. Tsara ny vina fa andrasana ny finiavana sy ny fanatanterahana. Tsy azo kosehina anefa ny tantara, ka izao vao mody mianan-kendry sy manome moraly ny olona ka ny taloha iniana hadinoina. Raha jerena io, dia avela ho vitavita ho azy tany ny lasa sy tsy nety natao teo aloha fa aleo hanao ny tsara amin’izay. Raha ny laharantsika tamin’ny 2008 nialoha ny fanonganam-panjakana, dia laharana faha-85/180. Nitotongana tany amin’ny faha-127/180 tamin’ny taona 2013 nitondran-dRajoelina farany, satria very toerana 42 be izao i Madagasikara. Laharana faha-155 tamin’ny 2017, ary niakatra kely eo amin’ny laharana 152 ho an’ny 2018. Mety ao tokoa ny vina hiady amin’ny kolikoly kanefa mbola aotra ny naotin-dRajoelina sy ny ekipany, raha mbola toerana vitsivitsy no ho azo satria mila manonitra ny toerana 42 very taorian’ny fanonganam-panjakana 2009 no ho mankaty vao tafaverina amin’ny laharana tany amin’ny 10 taona lasa. Mila miainga avy any ambony ihany koa ny ohatra satria izao sahady dia efa misy ny zavatra mampiahiahy nafitsok’ilay filoha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.