Actualités

Ady amin’ny kolikoly Hihamafy ny ezaka ataon’ny Zandarimariam-pirenena


  • Alarobia 06 Febroary 2019

1223. Io no isan’ny fanambaram-pananana nentin’ny delegasion’ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena na ZP izay notronin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky sy ireo

manamboninahitra ary manamboninahitra  lefitra teny amin’ny toeram-piasan’ny Birao Mahaleo tena  miady  amin’nykolikoly na Bianco - « villa La piscine »Ambohibao, omaly 5 febroary 2019  .Ny Tale jeneraly mpisolo toerana ny Bianco Charlet Rakotomalala no nandray azy ireo. Tsahivina fa  ireo fanambaram-panana an’arivony ireo dia avy tamin’ireo zandary miasa eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG), ny tao amin’ny foibem-pibaikoana (COM), ny tao amin’ny farim-piadidian’ny zandarimaria  (CIRGN) Antananarivo, ny tao amin’ny Hery Vonjytaitra (FIGN), ary ny tao amin’ny vondron-toby misahana asa manokana (CFS IVATO). Marihina fa ny zandary misalotra ny galonan’ny zandary prinsipaly kilasy faharoa, na GP2C (Gendarme Principal de Deuxième classe) no ho miakatra no manao io fanambaram-pananana io eo anivon’ny ZP, satria izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny fikarohana ny fandikan-dalàna na «Officier de police judiciaire ».

Ny Jeneraly, Komandin’ny ZP,ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka mbola nanamafy hatrany teo imason’ny rehetra ny fahavononany toa izay efa nataony hatramin’ny ela, tahaka ny famongorana ny kolikoly, ka mangataka ny fiaraha-miasa akaiky kokoa amin’ny Bianco izy ireo amin’izany. Ny fanadiovana ny ao anatin’ny ZP aloha mba ahafahana miady misimisy kokoa amin’ny kolikoly hitan’ny olon-drehetra amin’ny ankapobeny avy eo no tanjona.

Amin’ny 2021 indray

Ny lahatenin’ny Tale jeneraly mpisolo toerana ny Bianco kosa nitodika tamin’ireto mpitandro filaminana mba hanohy ny ezaka efa nataony amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nanamarika ihany koa izy fa ny fanambaram-pananana manomboka izao dia atao in-droa isan-taona, raha toa ka misy fitomboana na fihenana ny fananana. Nomarihany fa ny Zandarimariam-pirenena no loha-laharana amin’ny rafitra enti-miady amin’ny kolikoly ka tokony halain’ny Departemanta hafa tahaka. Notsindrian’ny Jeneraly Njatoarisoa Andrianjanaka, Komandin’ny ZP tamin’ny mpanao gazety fa mirazotra amin’ny vina “Zandarimaria madio” izay napetrany izao ezaka izao.

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT