Actualités

Ady amin’ny fanondranana andramena Misy “task force” natsangana indray


  • Zoma 05 Jolay 2019

Miroso hatrany amin’ny fiarovana ireo harena voajanahary mampiavaka antsika eto Madagasikara ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny haivoary.

 

 

 

Ho an’ny andramena, ohatra, dia nambaran’ny minisitra Georget Alexandre omaly fa efa natsangana ny “task force”  hiandraikitra izany, indrindra fa ho an’ireo andramena nogiazana. Mikasika ny fiarovana ireo harena an-dranomasina indray manoloana ireo mpanjono tsy ara-dalàna sy ny fitobahan’ny solika ahiana hamono ireo biby  dia fantatra fa efa misy ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny tontolo iainana hahatongavantsika any amin’ilay dingana lehibe dia ny fampiroboroboana ny toekarena manga manerana ny Nosy. Toraka izany koa ny fanovana ny harona “plastika” ho lasa zavatra hafa. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ilay “Salon de la mer” andiany faharoa tanterahina etsy amin’ny Alliance Francaise Andavamamba nanomboka, omaly. Haharitra andro maromaro izany ka ny tanjona dia ny hahafahan’ny sehatra rehetra mifanakalo hevitra entina hanatsarana ny tontolo an-dranomasina eto amintsika ka tafiditra ao ny resaka asa eny ambony ranomasina. Farafahakeliny dia “Task force” fanintelony ity nantsangana ity satria efa nisy iray voalohany tamin’ny fitondrana tetezamita, nisy ihany koa tamin’ny fitondrana HVM… Misy hazo sarobidy tafaporitsaka foana anefa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT