Ny 25 oktobra izao no hotontosaina etsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa handinihana ny fivoaran’ny ady amin’ny fanandevozana maoderina sy tsy fanajana zon’olombelona ary ny fampiasana zaza tsy ampy taona.
Sambany no nisy atrikasa toy ity, raha ny fanazavana, ary hanohana izany ireo rafitra iraisampirenena mifanandrify aminy toy ny OIT, ny UNICEF, ny OIM ary ny HCDH. Anisan’ny fanamby hapetraka ny fijerena ifotony sy faran’izay tratra ao anatin’ny fotoana fohy ny zava-misy marina momba ireo lafin-javatra 3 ireo eto amintsika mba hahafahana mametraka ihany koa ny paikady enti-miady amin’izany. Hofantarina koa ny lesoka tamin’ireo ady natao teo aloha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.