Nisy ny filankevitry ny minisitra manokana teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra omaly hariva notarihin’ny Filoham-pirenena niaraka amin'ny Praiminisitra sy Minisitra tompon'andraikitra telo ambin'ny folo ao amin'ny governemanta.
Manoloana ny fivoaran’ny valan’aretina Coronavirus maneran-tany fa indrindra aty Afrika sy ny ranomasim-be Indianina tao anatin’izay 72 ora izay dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hentitra mifanaraka amin’izany isika hiarovana ny fahasalaman’ny Malagasy sy ny mponina rehetra eto amintsika, hoy I Andry Rajoelina. 28 hatreto ny firenena Afrikanina voa. Tapaka tao anatin’izany ary, fa miato mandritra ny 30 andro ny sidina rehetra mampitohy an’i Madagasikara amin’ny any ivelany manomboka ny zoma 20 martsa. Na zotra rezionaly toa an’i Maorisy, La Réunion, Afrika Atsimo, Kenya,… na ny zotra iraisam-pirenena mampitohy amin’i Frantsa, Italie, Allemagne, Espagne, Chine dia miato avokoa. Tsy misy izany ny fiaramanidina mahazo miditra eto Madagasikara na avy aiza io na avy aiza . Ny mpandeha rehetra tonga eto kosa hatramin’ny alakamisy izao satria misy fe-potoana hatramin’ny alakamisy alina moa napetraka dia tsy maintsy tsirihana sy atoka-monina araka ny tenin’ny filoha.
Famoaham-bola noho ny hamehana
Fa anisan’ny fepetra manokana noraisina ny fivoriana teny Ambohitsorohitra ihany koa omaly ny fanomezana alalana manokana ny ao amin’ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hividy mivantana any amin’ny mpamokatra azy ireo fitaovana ilaina fa tsy mandalo tolo-barotra atao amin’ny fanjakana intsony izany noho ny hamehana sy ny mahamaika ny fanafarana ireo fitaovana hiarovana sy hisorohana ny fihavian’ny valan’aretina. Ampitomboina ihany koa ireo entana efa nafaran’ny Minisiteran’ny fahasalamana miaraka amin’ny OMS ka ampitomboina noho izany ny teti-bola natokana hisorohana sy hamehezana ity Coronavirus ity.
Toerana fitokana-monina
Fantatra io omaly io ihany koa fa misy hotely miisa 17 efa nivonona ny hanome ny efitrano fandraisam-bahin’izy ireo hametrahana ireo olona voatery tsy maintsy hatao « mise en quarantaine » ka ny fitondram-panjakana miaraka amin’ny OMS no handray an-tanana izany. Nanome ny toeram- pandraisany etsy Vontovorona ihany koa ny ao amin’ny CNaPS ahafahana mandray ireo olona mila atokamonina indrindra ireo avy any amin’ny faritra ka tsy afaka mamonjy ny toera- podian’izy ireo raha tsy vita ny 14 andro hitazonana azy ireo. azo vangiana, tsy afaka mifanerasera aman’olona ireo olona fehezina anatin’ny toerana voatokana ary mahavoasazy ny fandikana izany fanapahana izany.Hisy ny mpitandro filaminana hanara-maso ireo toerana ireo.
Nampitandrina
Tsy mbola tonga eto Madagasikara izany ny Coronavirus ary efa nohamarinin’ny OMS izany, « compte fake » ireo namoaka izany tamin’ny facebook. Nosandohana ny gazety Frantsay Le Figaro, izay nolazaina misy olona miisa 5 maty tany Nosy Be. Nantsoina mihitsy io gazety malaza io, izay nandiso izany, raha ny nambaran’ny filoha. Nampitandrina ireo mpanely tsaho i Andry Rajoelina. Nanamafy ny fampitam-baovao manokana avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana izany ny filoha momba ny mbola tsy fisian’ny Coronavirus eto Madagasikara. Tsy marim-pototra ny resaka niparitaka nilaza fa misy olona matin’ny Coronavirus tany Nosy Be. Voaporofon’ny Minisiteran’ny fahasalamana sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) ny tsy fahamarinan’io vaovao io, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny fahasalamana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.