Anisan’ny antony nampiatoana ny fanadinana teo anivon’ny sekoly ambony mampiofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) ny fisiana endrika kolikoly ka nandraisana fepetra fampiatoana ny fanadinana.
Miandry ny famoahana ny didim-panjakana avy amin’ny governemanta no hahafahana mamaritra ny fotoana hiverenan’ny fanadinana eo anivon’ny sekoly, hoy ny Tale jeneralin’ny ENMG, Anthony Ramarolahy Haingoniraina. Tsy ny fanadinana irery no iandrasana didim-panjakana fa momba ny sekoly mihitsy amin’ny ankapobeny. Raha hanatsara ny sekoly dia miainga amin’ny lalàna fototry ny sekoly io didim-panjakana io satria ny olana dia tsy ny sekoly irery fa ny fomba fianarana tao mihitsy. Tsy maintsy manao ny ezaka rehetra ny sekoly amin’ny famerenana ny hasina sy fahatokisana mba tsy ho lasa ohatra ratsy amin’ny tontolon’ny fitsarana, hoy ihany izy. Ankoatra izay, andrimpanjakana anisan’ny andraisana fitarainana momba ny kolikoly ny fitsarana. Noho izany, hamafisina amin’ny alalan’ny fanofanana, izay haharitra telo andro, ka hatomboka amin’ireo mpiraki-draharaha sy mpitsara ny fampahafantarana ny lalàna vaovao izay hampiharina eo amin’ny asa mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.