Ao anatin’ny telo taona tsy miato no tokony hanaovana ny ady amin’ny valala eto amintsika raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny fambolena raha tiana ho fongana tanteraka izany.
Ohatra ny fanafody hanin’ny olona iray marary ihany mantsy io hoy hatrany izy ireo ka raha vantany vao tsy mitohy dia tsy hahazoana vokatra. Mbola mahatratra 39 tapitrisa dolara indray araka izany ny vola ilaintsika amin’ny ady hatao amin’ny valala amin’ity taona ity raha 45 tapitrisa dolara izany teo aloha. Raha feno ny fepetra rehetra hoy hatrany ny fanazavana azo dia tsy handany vola amin’ny ady hatao amin’ny valala intsony isika ao anatin’ny 30 ka hatramin’ny 40 taona ho avy. Nisy omaly ny fifanaovan-tsonia ôfisialy notanterahin’ny Fonds International de Développement Agricole sy ny Organisation de Nations Unies pour l’agriculture et l’alimentation mikasika ny famatsiam-bola amin’ity ady hatao amin’ny valala eto amintsika ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.