Nanomboka tamin’ity volana oktobra 2014 ity ny ady amin’ny valala andiany faharoa. Efa vita tamin’ny 9 oktobra ny fitsirihana ana habakabaka ny ilany andrefan’i Madagasikara miainga ao Mahajanga hatrany Toliara.
Voaporofo tamin’ny sidina natao ireo fanamarihana nisongadina tamin’ny famaranana ny hetsika andiany voalohany ny volana aogositra 2014. Nampitombo ireo kijeja mantsy ny hamandoana sy ny fanatonan’ny vanim-potoanan’ny firotsahan’ny orana ankehitriny. Miisa roa ny toby fitsirihana dia ny ao Tsiroanomandidy sy ny any Ihosy. Andiam-balala mivelatra amin’ny arivo hektara, ohatra, no efa voararaka fanafody tao amin’ny faritra Bongolava. Velaran-tany 5 hatramin’ny 8 hetsy kosa no ezahina tsaboina ao anatin’izao hetsika andiany faharoa fampihenana ny firongatry ny valala izao. Vola mitentina 10 tapitrisa dolara moa no tsy mbola ampy amin’ny famatsiam-bola ilaina amin’izao ady amin’ny valala andiany faharoa izao. Tsy afaka mihoatra ny volana febroary moa ny asa azo tanterahana amin’ny vola eo am-pelatanana ankehitriny izany hoe famonoana taranaka kijeja iray amin’ny telo mifandimby mpanimba voly eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.