Zava-poana ny zavatra atao rehetra mahakasika ny fandriampahalemana rehefa tsy tafiditra ao anatin’ny dinika ny ben’ny tanŕna sy ny manodidina azy toy ny filoham-pokontany sy ireo andrimasom-pokonolona.
Tsara ny fanatanterahan’ny fitondram-panjakana ny fikaonan-doha Safatsiroa mikasika ny fandriampahalemana teny amin’ny CCI Ivato farany teo, saingy mandringa noho ny tsy fanatrehan’ireo ben’ny tanàna tompo-marika voalohany amin’ny fandriampahalemana any amin’ny toerana misy azy avy satria izy ireo no tena akaiky ny vahoaka mahita ny aty vilan’ny vahoaka tarihany, mahafantatra ny olon-dratsy mivezivezy ao an-tanàna. Raha tiana hahazo vokatra tsara amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, araka izany, dia tena tsy azo hihodivirana ny fandraisan’anjaran’ny rafitra eny ifotony miainga amin’ny fokontany sy ny kaominina raha misy paikady atao vao miantso ny mpitandro ny filaminana handrindra azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.