Actualités

Ady amin’ny trafika Be resaka indray ny filoha


  • Talata 01 Martsa 2016

Omaly tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, teo amin'ny Mole B2 no nanoloran’ny banky iraisam-pirenena ireo vedety haingam-pandeha miisa efatra ho an’ny fanjakana Malagasy,

 

 izay entina miady amin’ny trafikana harem-pirenena eto amintsika izay mivoaka mora foana amin'ny sisin-dranomasina malagasy. Tonga tao Toamasina ny filoham-pirenena Rajaonarimampianona Hery sy ny solontena maharitry ny banky iraisam-pirenena  eto amintsika ary ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia, ny ranomasina ary ny ala.

Nambaran'ny filoham-pirenena fa tsy fanombohana ny ady atao akory izao fa fanohizana sy fanamafisana ny ady atao amin'ireo trafikan’ny harem-pirenentsika, satria efa napetraka ny fiarahan’ny minisitera amin’ny ady atao, efa misy sy eo am-pampiharana ny lalàna manafay ireo mpanao trafika ny harem-pirenena koa isika izao…”. Voalazan'ny filoha fa vola an-jatony tapitrisa dolara isan-taona no very eto amintsika noho io trafikana harem-pirenena io. Be resaka ny filoham-pirenena, be fampanantenana ary mety adinony angamba fa nandritra ny naha filoha azy dia mbola nirongatra be ny fanondranana boaderozy tany ivelany. Nolazain'ny solontena maharitry ny banky iraisam-pirenena kosa, fa “tena fahavoazana lehibe ho an’ny firenena Malagasy sy ny taranaka ho avy ny fitrangan'ny trafika misy eto, satria ny harena potika, ny tahiry ho lany, ny vola tsy misy miditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana ahafahana manatsara ireo fotodrafitrasa”; koa takian'ny banky iraisam-pirenena ny fampiharana ao anatin’ny fahamarinana sy fitiavan-tanindrazana ny lalàna manan-kery amin'ireo mpanao trafika sy ny fanajana fitaovana misy tsy hoentina hanaovana kolikoly ihany koa.

 

Mazava

 

Ny orinasa "Techmarine Sarl" no nanamboatra azy ireto nanomboka ny volana novambra ny taona lasa. Nampitondraina ny anarana hoe “Mazava 1, Mazava 2, Mazava 3, Mazava 4” ireto vedety haingam-pandeha ireto. Mirefy 10 metatra eo ny halavany, mahatratra 32 taonina ny lanjany, izay mahazaka olona am-polony indray mandeha. Fiaraha-miasan'ny minisiteran’ny tontolo iainana, ny ekolojia, ranomasina ary ny ala, ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ny minisiteran’ny fitsarana ary ireo mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana, ny fampiasana azy ireo. Miangavy ny fiaraha-miasa amin'ny vahoaka amin'ny fanoroana ireo mpanao trafika sy ny tranga misy any aminy izy ireo, ho fanamorana ny fanaraha-maso sy ny fisamborana hatao.

 


Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT