Tsy tratra ny tanjona napetraka nanomboka tamin’ny taona 2003 natao amin’ny sida, raboka ary tazomoka eto Madagasikara. Nisy ny famatsiam-bola na dia sarotra aza ny fandresen-dahatra tamin’ny nahazoana azy ireo tao anatin’izay folo taona mahery izay. Olona 600 mitondra ny tsimokaretina Vih, 124.000 voan’ny koha-tratra ary lay
misy fanafody miisa 11 tapitrisa no voasahan’ny vola fanampiana tao anatin’ny 11 taona. Hahazo famatsiam-bola avy amin’ny Tahiry manerantany ny ady amin’ireo karazana aretina telo ireo ny firenena Malagasy ho amin’ny taona 2014-2017. Hosarotiny amin’ny vokatra takiany kosa ireo mpamatsy vola manomboka izao, hoy ny solontenan’izy ireo Christine Bellas Cabane. Tsy ho mora rahateo ny hahazoana ilay bolongambola mitentina 112 tapitrisa dolara natokana ho amin’izany. Fepetra ny fandoavan’i Madagasikara mialoha ny fandraisana anjara 5%-n’io mari-bola io mba hivoahan’ny 85% ambiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.