Actualités

Ady amin’ny kolikoly Ny mpitondra fanjakana no sakana


  • Alatsinainy 22 Febroary 2016

Fanoitra amin’ny famongorana ny kolikoly ny fitsarana saingy sakana izy eto Madagasikara. Mbola manjaka hatreto ny didim-pitsarana mitongilana.

 

 Homena fahafahana vonjimaika hatrany, ohatra, ireo olona voaporofo ho mpandika lalàna toy ny fanondranana andramena an-tsokosoko na ny fanodinkodinana volam-bahoaka, hoy Ramarosaona Faraniaina Pierre Bernard. Kitro ifaharan’ny ady amin’ireo karazana risoriso eto Madagasikara anefa ny fitsarana, araka ny voalazan’ny politika fampiharana ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny 10 taona manaraka saingy tsy mandray andraikitra amin’ny fanavaozana azy io hatramin’izao ny mpitondra fanjakana. Rariny sy hitsiny raha tsy mipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ireo olom-panjakana ambony mitantana ny firenena. Adidy sy andraikitry ny manampahefana mantsy ny mitondra vahaolana nefa izy ireo indray no olan’ny fiarahamonina Malagasy. Fehiny, tsy sahy ary tsy manana finiavana politika hiady amin’ny kolikoly ny fanjakana Malagasy, hoy ity mpitarika ny fikambanana Olom-Pirenena Tompon’Andraikitra na ny OPTA ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT