Actualités

Ady amin`ny kolikoly Nitombo ny tetibolan`ny PAC


  • Talata 02 Jolay 2019

“Tsy nahena araka ny fanamambarana nataon`ny fiarahamonim-pirenena azy fa nampitomboina ny tetibolan`ireo rafitra iadiana amin`ny kolikoly”, hoy ny minisitry ny fitsarana, Jean Jacques Randrianasolo.

 

 

Betsaka loatra ny tetibola voatokana ho an`ny Fitsarana miady amin`ny kolikoly (PAC) tao anatin`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) ho an`ity taona ity ka nahatonga izany nitondrana fanitsiana, hoy ny minisitry ny fitsarana hatrany. Na dia eo aza izany dia tsy misy fiantraikany ny fidinan`ny tetibolan`ny PAC. Efa mihatra ny fanovana natao satria ny tetibola ho an`ny rantsan`ny PAC, izay tsy mbola mijoro, no nesorina tao. Nohamafisiny fa nitombo 49% ny tetibola ho an`ny PAC ao anatin`ny LFI 2019 nasiam-panitsiana fa tsy nihena akory. Marihana fa 7 miliara ariary no natokana ho an`ny PAC tao anatin`ny LFI lasitra. Tafiditra tao anatin`izany ny PAC ao anatin`ny faritany enina kanefa Fitsarana iray ihany no tafiditra. Mpitsara 21 ary mpiraki-draharaha 17 no mandrafitra PAC iray ka ny tambin-karama amin`ireo faritany dimy tsy mbola misy rafitra no nesorina, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT