Nihemotra laharana folo i Madagasikara, araka ny maridrefin`ny kolikoly taona 2018 (indice de perception de la corruption 2018) izay efa teo amin`ny laharana faha-155 tamin`ny taona 2017.
Tao anatin`ny telo taona dia tsy nitsaha-nitotongana ny fiainam-pirenena na teo amin`ny sehatry ny politika na toekarena na sosialy vokatry ny kolikoly. Mbola lavitra ny ezaka ho an`i Madagasikara, izay voasokajy ao anatin`ny faritra mena hanjakan`ny kolikoly, ny hisian`ny fanjakana tsara tantana sy lavitry ny kolikoly. Mamotika ny firenena ny tambajotran`ny kolikoly izay zava-doza mamotika ny firenena. Anisan`ny mahasarotra ny ady amin`ny kolikoly ny tsy fananana finiavana politika hanao azy fa toy ny mbola mihazohazo hanao, tsy hanao… kanefa mila fahavononana politika hita mivaingana. Mampanahy ny maro aza any kolikoly eny anivon`ny andrim-panjakana. Mitarika ny ady ny filoha, fa adin`ny rehetra io: adin`ny vahoaka Malagasy, adin`ny mpiantsehatra rehetra. Aretina mambotry ny firenena ny kolikoly ka hatomboka amin`ny ao an-dapa ny ezaka. Eo ihany koa ny tsy fahampian`ny fitaovana eo an-tanan`ny rafitra miady amin`ny kolikoly, mila vahana koa ny olana amin`ny fahasahiranam-bahoaka fa sarotra ny mitaiza vahoaka mahantra. Tsy ampy ny ezaka amin`ny famongorana ny kolikoly na dia eo ny fananganana rafitra samihafa miady amin`ny kolikoly eto amintsika izay tsy ahitam-bokatra hatreo. Ny fitsarana manokana misahana ny fandikan-dalàna kolikoly sy ireo fandikan-dalàna ara-toekarena sy ara-bola (pole anti-corruption). Mametraka fanamby ny Birao mahaleotena misahana ny ady amin`ny koliloky (BIANCO) amin`ny fampandehanan`ireo rafitra ireo no imasoana amin`ny taona ho avy. Maro tsy tambo isaina ny zava-dratsy mateti-pitranga eto amin’ny firenena nefa azo sorohina tsara raha misy ny fandraisana andraikitra. Tena marary ny firenena ary mila fitsaboana maika satria manomboka miditra eto ny karazana loza rehetra mitady handripaka ny vahoaka malagasy. Mila miara-mientana sy manafy ireo ezaka amin`ny famongorana ny kolikoly sy ny tsimatimanota eto amin`ny firenena indrindra izao hananan`i Madagasikara filoham-pirenena sy fitondrana vaovao izao. Andrasana ny finiavana politika amin`izay azo inoana ny hoe tsy misy tsimatimanota fa tsy sarin`ady no atao. Marihana fa ny sabotsy lasa teo no nankalazaina tany Vakinankaratra ny andro iraisam-pirenena iadiana amin`ny kolikoly teto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.