Notanterahina teny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny kolikoly omaly
. Nandritra io fotoana io no nitondran’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena momba ny ady amin’ny kolikoly Jean Louis Andriamifidy fanamarihana, fa arovan’ny lalàna ny sata maha mahaleotena io sampan-draharaha io. Manoloana ny resaka voizin’ny loholona Riana Andriamandavy VII, izay mitaky ny fametraham-pialany noho ny fanaovana tsinontsinona ny zon’ny olona mbola tsy voaheloka kosa dia toa namaly an-kolaka izany ny tenany ary nilaza fa voahaja tsara izany tamin’ny fanadiana nataon’ny Bianco. Tokony hitovy daholo ny Malagasy eo anatrehan’ny lalàna ary fanadihadiana ihany no ataon’ny Bianco manoloana fitarainan’ny olona, fa ny fitsarana no mamaritra na mitombina na tsia hoy hatrany izy. Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa mpitsara ary tsy misy olona tokony hampianatra azy izany. Nomarihiny kosa fa tsy manana fahefana hanara-maso ny fitsarana ny Bianco fa mijanona eo amin’ny fanadihadiana sy ny fandefasana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Mbola mila ezaka ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika ary ny tena olana dia ny mpitondra eto amin’ny firenena mihitsy no malaza amin’izany, ka mampanano sarotra ny ady sy lasa leson-dratsy ho an’ny vahoaka. Niatrika ny fotoana ny masoivohon’i Etazonia Robert Yamate ary nanamafy manampy hatrany an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly ity firenen-dehibe ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.