Actualités

Ady amin`ny kolikoly Hotsirihana i Madagasikara


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Tonga eto amintsika ireo delegasionina roa avy amin`ny Vondrona Afrikanina, ny komitin`ny Vondrona Afrikanina misahana ny kolikoly (CCUAC) sy ny fikambanana ireo rafitra miady amin`ny kolikoly eto Afrika (AAACA),

 

 

 hitsirika ny ezaka nataon`i Madagasikara amin`ny famongorana ny kolikoly. Anio dia hanomboka ny iraka hampanaovina azy ny CCUAC izay hiompana amin`ny fanentanana an`ireo fitondram-panjakana, ireo hery politika maro samihafa… hanohy ny ezaka efa natomboka. Tanjona dia ny fanatsarana ny fampiharana ny fifanarahana miaraka ny Vondrona afrikanina manoloana ny ady amin`ny kolikoly. Ny AAACA indray dia hamolavola ny fandraisana ny fihaonambe isan-taona, izay hatao amin`ny volana jona 2020, eto Antananarivo. Ny 19 hatramin`ny 22 novambra izao moa no hanatanterahana izany. Tanjon`ity delegasiona ity moa dia ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin`ireo mpikambana ao aminy amin`ny alalan`ny fanentanana sy fanabeazana ireo olom-pirenena, indrindra ny fampiharana ny lalàna.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT