Actualités

Ady amin'ny Kolikoly Ho feno manam-pahefana ny fonja...


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Mihazakazaka ny fenenjehana ireo heverina ho nanao kolikoly avo lenta teto amin’ny firenena.

 

 


 Nitombo isa ny fitorohana sy fitarainana voaray. Miha sahy milaza ny tsy mety ataon'ny manam-pahefana ny olompirenena: kolikoly, fanaparam-pahefana, fanodikodinana volam-panjakana,... Efa misy dosie nalefa any amin’ny fitsarana ambony.

Minisitra sy tale ambony

Misy minisitra sy tale ambony tamin’ny fitondrana teo aloha. Vao ny faran’ny herinandro teo no nisy Minisitra telo nahazo fahafahana vonjimaika, izay tsy midika fa foana ny fanenjehana. Misy ireo olona ambony teo aloha efa any am-ponja, ary henjehina hatramin’ny any ampitan-dranomasina, tahaka an’i Fleury Rakotomalala ary nambara fa hisy ny fifanarahana amin’ny fitsarana Frantsay. Asa na hisy ihany koa ny fanohizana ny fanenjehana an’i Peta na Razafindrabakoarisoa Marie Jocelyne Léonard, izay efa namoahan’ny fitsarana didy hiasa an-terivozona mandritra ny 5 taona, izay tsy nipoitra nandritra ny fotoam-pitsarana, ka namoahana didy fampisamborana avy hatrany ny faramparan’ny volana aogositra. Voarohirohy tamina kolikoly tamina tsenam-panjakana efa hatrany amin’ny 104 miliara ariary izy. Ny volana oktobra na novambra 2019 tany ho any anefa izy no tafaporitsaka nivoaka an’i Madagasikara. Asa na mba nisy tohiny ny raharaha nahatafatsoaka azy na ahoana fa nangina? Olona ambony eto amin’ny firenena ve no nanampy tamin’ny fampitsoahana matoa tsisy tohiny ny raharaha?

Sehatra 6 be kolikoly

 Fananan-tany, fitsarana, zandarimariam-pirenena, vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, fanabeazana no isan’ny lohalaharana amin’ny kolikoly eto. Efa maro ny zandary naiditra am-ponja. Misy depiote sy ben'ny tanàna ihany koa. Ireny laza adina nivoaka tamin’ny BEPC sy ny bakalorea ireny, dia efa mazava fa nisy nibizna tao. Ny famindran-toerana mpampianatra noho ny antony tsy mazava ataona chef cisco sasany indrindra fa any amin’ny faritany, famoaham-bola tsy mazava, fividianana entana lafo vidy, fiara, hofantrano, saran-dalana, ary indrindra ny tsena-baro-panjakana. Misimisy ihany ireo zava-nitranga teto amin’ny firenena naha voatonontonona olona ambony, misy ny fanta-bahoaka satria nivoaka angazety, misy kosa no tsy mbola fantatra. Maro ny fanadihadiana mandeha hahafantarana ny tena marina hoe: iza marina no nanao inona? Tany amin’ny 152 isika no nihemotra 158/180 amin’ny resaka ady amin’ny koliloly ny taona 2019, ka miezaka mampiakatra ny naotiny ny fanjakana ankehitriny. Mety ho maromaro ihany ireo tompon’andraikitra ambony sy manam-pahefana hidoboka am-ponja hanampy ireo efa any. Fanontaniana mipetraka ny hoe: mba ho fohazina ihany koa ve ny fitoriana napetraky ny Pr Zafy momba ny trafikana boaderozy, ka atao fanadihadiana ireo voakasika hahafantarana ny tena marina ?

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT