Rafitra roa nahazo fahefana avy amin’ny Vondrona Afrikana hanatanteraka ireo hetsika hisorohana sy hiadiana amin’ny kolikoly ny Filankevitra miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Vondrona Afrikana (CCUAC) sy ny fikambanan’ireo fahefana avo miady amin’ny kolikoly aty Afrika (AAACA).
Raha tsiahivina dia nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireto delegasionina ireto no nitsirika ireo rafitra sy ezaka atao mahakasika ny ady amin`ny kolikoly eto Madagasikara. Nifantoka tamin’ny votoatin’ny iraka nampanaovin’ny Vondrona Afrikana azy ireo eto an-toerana sy ireo vokatra handrasana amin’izany ny fihaonana. Nihaona tamin`ireo mpikambana ao amin’ny AAACA-CCUAC ny praiministra Ntsay Christian omaly tetsy amin`ny lapan`i Mahazoarivo ka noresahina ireo hetsika kasain’ ireo rafitra roa ireto hatao eto Madagasikara amin’ny taona ho avy.
|
Nitsangana ny 26 mey 2009, izay mifanaraka amin’ny voalazan’ny andininy faha 22 amin’ny fifanarahana momba ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny kolikoly eo anivon’ny Vondrona Afrikana, izay nampiharina ny 05 aogositra 2006, ny CCUAC. Ny AAACA kosa dia nitsangana ny volana septambra 2013, araky ny lamina voarakitra ao amin’ny fifanarahana momba ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny kolikoly ao amin’ny Vondrona Afrikana sy ny Firenena Mikambana |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.