Actualités

Ady amin’ny kolikoly any an-tsekoly Handray anjara mavitrika ny IEF Aceem


  • Sabotsy 08 Oktobra 2016

Mihamahazo vahana hatrany ny kolikoly eto amintsika. Tsy misy izay toerana tsy ahitana izany intsony ankehitriny ka tsy maintsy hitadiavana paikady manokana.

 

 Any an-tsekoly no fotoana tsara indrindra tokony hampidirana izany  ka hamolavolana ny mpianatra, antony nanosika ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra miaraka amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly hikarakara hetsika mifandraika amin’izany. Ho antsika eto an-drenivohitra manokana dia sekolim-panjakana marobe no mandray anjara amin’izany, miaraka amin’ny sekoly IEF Aceem etsy Andravoahangy izay hany sekoly tsy miankina tokana  voafidy tao anatin’ny maro. Iray volana ao anatin’ny taom-pianarana iray no hatao io hetsika io ka hanentanana ireo ankizy sy tanora mpianatra  mba hiady sy hanohitra ny kolikoly hahafahana mamongotra izany hatreny ifotony.  Marihina moa fa ankoatra ny fampianarana amin’ny ankapobeny dia anisan’ny mampiavaka ny IEF Aceem ihany koa ny resaka kolontsaina sy ny lafiny ara-panatanjahantena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT