Azo lazaina fa endrika iray itarafana ny firosoan’ny fanjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny hetsika nataon’ny birao mahaleontena misahana ny kolikoly na ny Bianco,
raha ny raharaha Razaimamonjy no resahana, hoy ny antoko TAMAMI na ny Tanora malagasy miroso tamin’ny alalan’ny filohany Samihafy Floriot. Na izany aza, hoy izy, dia manana zo hahazo fitsaboana any ivelany ny olona marary saingy tokony hipetraka hatrany ny fanontaniana hoe ara-dalàna na nanaraka ny an-tana-tohatra ve ny fomba namoahana azy tao amin’ny efitra fitsaboana tao ? Aleo ny fanadihadiana no hanamarina sy handiso izay. Tsy andraikitry ny Bianco irery ny ady amin’ny kolikoly fa tokony ho arindran’ny fitondram-panjakana io ary handraisan’ny mpitondra sy entina anjara. Mila mifanome tanana isika.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.