Actualités

Ady amin’ny jiolahy sy ny dahalo Hividy fitaovam-piadiana ny fanjakana ?


  • Talata 02 Febroary 2016

Nanome hafatra sy baiko ireo manamboninahitra lefitra rehetra manerana ny nosy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo omaly ny hivondronan’izy ireo amin’ny asa fanompoana sy fampandrosoana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana.

 

 Masina ary sarotra ny asantsika, hoy izy, dia ny fiarovana ny andrim-panjakana sy ny tanindrazana. Tsy iza aho fa iray amiareo ihany, hoy ny jeneraly Raveloarivo. Nandritra ny lanonana nankalazana ny andron’ny manamboninahitra lefitra teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo no nanambaran’ny praiminisitra izany. Tsara homarihina fa 350 lahy ireo manamboninahitra lefitra ireo. Momba ny resaka filaminana sy fandriampahalemana kosa dia nambaran’ny praiminisitra nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety fa efa natolotra ny filoha ilay Rindra Safatsiroa ny sehatry ny fandriampahalemana (RSS) ary andrasana ny fankatoavana sy ny fampiharana azy amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Tsy maintsy miezaka hatrany isika manatsara ny fitandroana ny filaminana, hoy izy efa misy ny paikady amin’izany ary mety hisy ihany koa ny fanampiana ny fitaovana eo am-pelatanana sy ny mety ho fividianana fitaovana mihitsy aza mba hametahana ny filaminana sy fandriampahalemana eto. Raha io resaky ny praiminisitra omaly io no atao mivantana dia mazava izany fa mety hividy fitaovam-piadiana ny fitondram-panjakana mba hiatrehany ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo eto. Ireto farany izay sady efa manana basy sy bala mitovy amin’ny an’ny mpitandro filaminana no mbola mampiditra an-tsokosoko fitaovam-piadiana raitra sy maoderna ihany koa. Tranga efa nisy tany atsimo ny hoe : matin’ny dahalo ireo miaramila satria lany bala rehefa raikitra ny fifampitifirana. Na izany aza anefa dia misy gaboraraka ihany koa ny fanaraha-maso ireo fitaovam-piadiana any amin’ireo toby miaramila sy zandary maro samihafa matoa misy basy sy balan’ny tafika eny am-pelatanan’ny malaso ka mila hetsika matotra koa io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT