Actualités

Ady amin’ny jiolahy Raikitra ny « opération coup d’arrêt »


  • Sabotsy 23 Aprily 2016

Efa niverina nanomboka ny alakamisy teo indray « opération coup d’arrêt » ho famongorana hatrany amin’ny fotony ny asan-jiolahy sy ny fakana an-keriny izay toa niha nahazo laka indray tato ho ato.

 

 Mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra amin’ny fanomezam-baovao anefa izany, hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly. Manoloana izay indrindra dia nisy ny laharan-tariby maro izay nozarain’ireo mpitandro ny filaminana ahazoana miantso ireo toby isanisany arakaraka ny toerana misy ny mpiantso. Natsidik’ireo mpitandro ny filaminana fa efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ilay fakana an-keriny ny teratany karana tompon’ny tranombarotra ny Atsimo etsy Andravoahangy. 72ora taty aorian’ny nakana azy dia tsy mbola misy mangirana ny momba ny raharaha. Tsiahivina fa ny tany Antsirabe dia dimy andro taorian’ny nakan’ny jiolahy azy dia hita ilay teratany karana nisy naka an-keriny ihany koa. Ireo fitaovana tratra tany amin’ireo jiolahy tany Antsirabe, toy ny basy mahery vaika sy ny fiara Ford Ranger tsara tarehy dia mampieritreritra fa efa tena ampy fitaovana sy manan-katao mihitsy ny olona ao ambadik’itony fakana an-keriny itony. Tany Toamasina dia basy mahery vaika ihany koa no tratra niaraka tao an-trano nitanana an’i Arnaud. Sao mba tambajotra iray ihany no ao ambadik’izao fakana an-keriny tsy mety tapitra izao ? Ankoatra ny fakana an-keriny dia nanao tatitra ihany koa ny polisim-pirenena mikasika ilay vola sandoka mitentina 14 tapitrisa ariary tratra tany Mahajanga. Omaly no niakatra fampanoavana ireo voarohirohy tamin’ny fanaovana ity vola sandoka ity. Teny Ambohipo no nahatraran’ny polisy ny fitaovana sy ireo mpiray tsikombakomba sasany tamin’ireo mpanao vola sandoka. Momba ilay fanafihana tranombarotra iray tao Andravoahangy tamin’ny andro antoandro be nanahary tamin’ny herinandro lasa teo dia fantatra fa vola 10 tapitrisa ariary ihany koa no lasan’ireo jiolahy. Momba ilay lehilahy maty voatsatok’antsy teny Andravoahangy ny alatsinainy11 aprily indray dia mpitandro ny filaminana nanao fisafoana maraina no nisambotra ireo jiolahy namono.


Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT