Actualités

Ady amin’ny hanoanana Dodona mafy ny FAO


  • Talata 30 Aogositra 2016

Mitsidika ireo firenena nosy eto amin’ny Oseanina Indianina ny tale jeneralin’ny sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo, José Graziano da Silva.

 

 Nisantarany ny diany nanomboka omaly moa i Madagasikara, firenena hanatanterahana ny tetikasa sompitry ny famokaram-bary eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ao anatin’ilay fandaharanasa goavana «PRESAN» na «Programme Régional de Sécurité Alimentaire et Nutritionnelle» izay manome lanja ny fikirakirana sakafo ara-pahasalamana, ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fampandrosoana maharitra hamongorana ny hanoanana hatramin’ny taona 2030. Tetikasa iray hafa hifampidinihan’ity tompon’andraikitry ny sampanasan’ny Firenena mikambana momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny sakafo ity amin’ny solontenam-panjakana, ny firaisamonim-pirenena ary ny fikambanan’ireo tantsaha mpamokatra Malagasy ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa fifanakalozana eo amin’ireo samy firenena aty amin’ny tapany atsimo. Io omaly io dia notolorana ny mari-boninahitra “commandeur de l’ordre national Malagasy” tetsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ary dia nanasonia fifanaraham-pitantanana ny ala miaraka amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny Haivoary ary ny Ala eto Madagasikara ny lehiben’ny delegasionina avy amin’ny FAO.

Mirija / Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT