Baiko hentitra no omeko, hoy ny filoham-pirenena omaly teny amin’ny CHU-JRA Ampefiloha raha tonga nijery ireo maratra sy nampionona ireo fianakavian’ny maty noho ny lozam-pamoivoizana roa nitranga izy sy ny governemanta notarihin’ny praiminisitra.
Voalohany, miantso ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny minisitry ny fitaterana ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hanamafy ny fanaraha-maso sy fandaminana ny fitaterana manerana an’i Madagasikara. Faharoa dia manome baiko aho mba hampiharina tsy misy indrafo amin’ireo izay mihoa-pefy ny lalàna amin’ity resaka fifamoivoizana sy fitaterana ity. Fahatelo dia tsy maintsy hentitra ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny fomba fanomezana ny « permis de conduire » sy ny « licence » ho an’ny mpamily sy ireo fiara hanao fitaterana na taksibe io na fiarakaretsaka na fiarabe mpitondra entana. Fahefatra dia asiana sampan’ny Bianco eny amin’ny fitsarana fiara. Fahadimy, manao antso avo aminareo kaoperativa sy tompona fiara ny tenako, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina mba hohajaina ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana ary tena mpamily matihanina sy mahay ny asany no alaina. Tompon’andraikitra feno amin’ny ain’ny mpandeha entiny sy ny filaminam-bahoaka mantsy ny mpamily, hoy hatrany ny filoha. Izay ny baiko sy ny toromarika fa asa izay ho fampiharana azy. Raha ny hita isan’andro mantsy dia manjaka tokoa ny gaboraraka ataon’ny taksibe eto Antananarivo sy ny manodidina, fiara hita fa efa kadroaka be sy midona-tsetroka, maty lava isaky mihetsika kanefa toa mbola miasa ihany satria nekena teny amin’ny « visite technique ». Ny mpamily sasany tsy mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, saingy tsy matahotra hosaziana satria mametraka kely ho an’ny polisy, na raha lasa aza ny « papier » sy ny « permis » dia efa mahafantatra deba hakana azy izy ireo ka tsy miraharaha lalàna intsony. Mafy ny asa miandry ny minisiteran’ny fitaterana sy ny filaminam-bahoaka, koa dia ho hita eo. Fambara zavatra ve sa ahoana ? Vao nofoanana mantsy ilay CIR nampitokona ny mpitatitra dia izao mamoa-doza mamono olona izao ny taksibe.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.