Marisarisa ny fampiharana ny lalŕna amin’ny fandrarana ny fanaovana dokambarotra ireny zava-pisotro misy alikaola sy ny sigara ireny.
Efa hatry ny taona 1960 anefa no nipetraka ny lalàna Malagasy mandrara fa tsy azo hanaovana dokam-barotra ny fivarotana zava-pisotro misy tahana alikaola mihoatra ny 1% saingy toa tsy voahaja izany ankehitriny. Tsy hay intsony na vokatry ny tsy fampiharana lalàna na ny paikady diso fipetraka no miteraka olana ka ny 90% amin’ny tanora 13-15 taona no efa misotro sy mifoka ankehitriny. Nambaran’ny eo anivon’ny minisitera fahasalamana tamin’ny alalan’i Dr Ravelojaona Andriamarotafika, Talen'ny ofisim-pirenena miady amin'ny zava-mahadomelina omaly fa handefa naoty any amin’ireo haino aman-jery momba ny fandrarana ny fampiasana ny fanaovana dokambarotra mikasika ny zava-pisotro misy alikaola ny fanjakana. Tsy hahomby mihitsy ny resaka ady amin’ny firongatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy ny fisorohana ny fifohana zava-mahadomelina raha tsy misy ny fandinihana ara-tsosialy. Tsy vitan’ny fampiharana ny lalàna ny zava-misy fa mila faharesen-dahahatra miainga eny ifotony ary tokony hisy foana ny tombana ahafahana mijery ny fahombiazana sy ny lesoka. Tsy mazava ny resaka sazy miandry amin’ny fandikan-dalàna ka zary tsy raharahian’ny olona ny lalàna izay toa goragora ka samy manao izay saim-patany ny rehetra ary izany no tsy mampahomby ny ezaka ka mila fandinihana lalina.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.