Tsy tokony hiandrasana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny intsony ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika.
Tena efa mahazo vahana tanteraka mantsy ka manomboka any amin’ny tanora no tokony hanaovana ezaka manokana. Mba hahafahana manamaivana ny fiantraikan’izany amin’ny isam-batan’olona ary dia hanatanteraka fifaninana mendrika ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny lisea 378, miisa 250.000 manerana ny Nosy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Vivo Enregy. Hahafahana mamolavola ny tanora sahady ny amin’ny fandraisana andraikitra tokony hataony izany no sady hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana omena ny mpianatra eto amintsika ihany koa. Hovatsiana fitaovana ihany koa ny efitrano famakiam-boky sy fanaovana fikarohana ao amin’ny Lycée Andre Resampa Antsirabe izay manana mpianatra manodidina ny 2.800 isa no sady hasiam-panavaozana. Nivoitra ireo nandritra ny sonia fifanekem-piaraha-miasa miisa roa notanterahin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary sy ny tale jeneralin’ny Vivo Energy Andriamatoa Kader Maiga omaly. Tetsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy no nanatanterahana azy, natrehin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.