Nampiseho ny finiavany amin’ny famongorana ny fandrobana ireo harem-pirenena ny governemanta Malagasy. Manaporofo izany ny fisokafan’ny fanadihadiana mikasika ireo olona ao ambadik’ilay sambo Min Feng nandika lalŕna mihantsona aty amin’ny morontsirak’i Madagasikara, ao amin’ny 10 km anatin’ny
fari-dranomasin’i Sainte Marie ny alin’ny zoma 30 janoary 2015. Misy ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny zana-bolana iaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola. Efa nampitaina any amin’ireo manampahefanan’ny Cites sy ny Interpol ihany koa ireo vaovao manodidina ity sambo vahiny ity. Mihevitra rahateo ny « Alliance Voahary Gasy» izay mandray anjara mavitrika amin’ny hetsika famongorana ny tokony hanana paikady tsara rafitra eo amin’ny lafiny fanomezam-baovao, fifandaminana ary fampitaovana arifomba any amin’ireo faritra tena mafana amin’ny fandrobana ireo harem-pirenena. Hanosika ny olom-pirenena hifanome tanana amin’ny fanampiana ny fanjakana Malagasy handray andraikitra ny fisian’io stratejia io, hoy ny AVG.
Ramano F.
Sary fampihaingoana : Sambo Min Feng ao amin’ny fari-dranomasin’i Sainte Marie (Sary AVG)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.