Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa fampahafantarana ny ezaka atao hiadiana amin’ny fiparitahan’ny diky etsy sy eroa
. Fantatra fa loza mitatao ho an’ny fiarahamonina ny fiparitahan’ny diky kanefa betsaka ireo tsy mahatsapa tena. Ny rehetra no mila mandray andraikitra raha tiana ny hiala amin’ny fiparitahan’ny diky. Nisy ny fanambarana iombonana izay notaterin’ny sekretera jeneralin’ny faritra Alaotra Mangoro Randrianatoandro Stanislas fa vonona hiady amin’ny amin’ny fangerena ankalamanjana ny faritra. Nanomboka tamin’ny taona 2010 ny tetikasa ka anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’izany ny fikambanana ONG fandrosoana sy ny Saff FJKM. Mbola lavitr’ezaka ny dingana harahina ho an’ny kaominina Ambatondrazaka raha io resaka ady amin’ny fangerena ankalamanjana io. Mbola mitaky vola sy fotodrafitrasa izany raha tiana hahomby.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.