Actualités

Ady amin’ny famotsian-bola Mampitovy tadin-dokanga ny SAMIFIN sy ny Zandarimariam-pirenena


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Misokatra nanomboka omaly talata 13 oktobra 2015, eny amin’ny biraon’ny SAMIFIN 67ha ary haharitra efatra andro fiofanana mikasika ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara, iarahan’ny SAMIFIN (Sampandraharaha Malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola) sy ny Zandarimariam-pirenena miasa.

Miisa 25 ireo zandary no hahazo tombontsoa amin’ity fiofanana ity, izay ahitana solontenan’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra manerana ny Nosy. Nilaza ny Tale jeneralin’ny SAMIFIN Razaraniaina Jean Claude, sady mpampiofana, fa fifampizarana traikefa sy fanohizana fiaraha-miasa arahana fahaiza-manao mba hitondra fandriampahalemana eto amin’ny firenena no tanjona amin’izao fiofanana izao.

Naneho ny fahavononany kosa ny Talen’ny sampandraharaha misahana ny famotorana eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mikasika ity ady atao amin’ny famotsiam-bola ity. Tsy vitan’olona irery izany adidy izany fa tsy maintsy ifarimbonana ary avadika ho tombontsoa ho an’ny firenena. Hotolorana sertifika aorian’ny fahavitan’ny fiofanana.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT