Namoaka ny paikady ho enti-miady amin’ny famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana teny amin’ny Minisiteran’ny toe-karena Anosy ny Sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola (SAMIFIN) omaly.
Tsy hisy fampandrosoana vanona raha mbola manjaka ny kolikoly sy famotsiam-bola. Nanamafy izany ny Jeneraly Herilanto Raveloarison, Filohan’ny Vaomieram-pirenena miaro ny fahamarinana (CSI) sady minisitry ny toe-karena fa tsy hatanjaka mihitsy ny toe-karena raha vola maloto no miodina ao amin’ny firenena. Ny tena olana eto amintsika anefa dia ireo olona ambony mihitsy matetika voatontonona amina resaka famotsiam-bola toy ilay nahatrarana volabe 3 tapitrisa Euro tany Roissy Frantsa ny volana desambra 2015 saingy nampanginina ny raharaha satria olona akaiky ny filoham-pirenena no voatonona tao anatin’ilay izy. Ahoana koa izao ny momba ireo vola roa baoritra tratra teny Namontana tao anatin’ny fiaran’ny depiote Mapar Lanto Rakotomanga.Vola avy aiza no hahafahana minisitra , depiote mividy fiara amina miliara ao anatin’ny herintaona monja ? Teo ihany koa ny raharaha Bekasy (boaderozy) izay nalefa nitsoaka any ivelany tsotra izao. Tsapa ho sarintsarina ady amin’ny kolikoly sy famotsiam-bola aloha no misy ankehitriny, ny tahan’ny fanaoana kolikoly eto aza miha mitombo hatrany. Toa resaka sy fandaharanasa no betsaka fa ilay finiavana sy fahavononana hiady amin’ny kolikoly sy fampotsiam-bola mbola any an-kibon’ny omby.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.