Actualités

Ady amin’ny famotsiam-bola Mbola tena asa lavitr’ezaka


  • Alarobia 06 Aprily 2016

Manana anjara andraikitra amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ny tsirairay, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina

 

omaly teny amin’ny fitsarana tampony Anosy raha nanatrika ny fianianan’ny tale jeneraly vaovao hitantana ny SAMIFIN Atoa Lamina Boto Tsara Dia izy. Raha tanteraka ny ady amin’ny kolikoly dia efa vitantsika ny ampahan’ny lalana amin’ny asa fampandrosoana, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy vitan’ny rafitra fotsiny tahaka ny Bianco na Samifin ny ady amin’ny kolikoly fa tena mila olona vonona, tsy terena fa miasa amin-kitsim-po ary mahatsapa ny andraikiny no sady tia tanindrazana. Tontosa omaly ny fianianan’ny lehiben’ny SAMIFIN ka Atoa Lamina Boto Tsara Dia indray izany no hitantana mandritra ny 4 taona ity rafitra miady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara ity. Vonona aho, hoy izy, ary hanao asa tsara kokoa noho ny vitan’ny teo aloha. Nambarany fa hisy ny lamina sy tolotra vaovao hapetraka momba ny fitsirihana, fisorohana ary famaizana amin’ity resaka famotsiam-bola ity. Ity Tale Jeneraly vaovao ity no nandimby an’i Pr Jean Claude Razaraniaina, izay Tale Jeneraly nanomboka ny 25 febroary 2008 moa. Marihana fa mitentina 120 miliara ariary ny famotsiam-bola tamin’ny alalan’ny famindram-bola avy amin’ny finday (Mobile banking) hitan’ny SAMIFIN tamin’ny 2014. Hatreto aloha dia tsy ampy hiasana tsara na ny tetibola na ny fitaovana eo anivon’ity sampandraharaha ity. 35 mianadahy ny mpiasan’ny SAMIFIN ankehitriny ary manodidina ny 148 tapitrisa Ariary ny vola hiasany hanaovana fanadihadiana,  tetibola izay tena tsy ampy mihitsy raha ny asa miandry no heverina.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT