Actualités

Ady amin’ny fahantrana Vita raha manahaka ny ataon’ny Hafari Malagasy ny rehetra


  • Zoma 10 Oktobra 2014

Tsy mieboebo izahay fa tena manetry tena raha milaza ankehitriny fa ho vita ny ady amin’ny fahantrana raha manaraka ny ataon’ny Hafari Malagasy avokoa ny rehetra, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ity vovonan’ny

fiarahamonim-pirenena. Efa nambaranay hatrany hatrany, hoy izy, fa mila masahana tsara ny hetsika fijerena manokana ny sosialimbahoaka amin’izao fotoana mampiraviravy tanana ny mponina izao. Hamafisinay fa hotanterahina amin’ny alarobia 15 oktobra izao ny fizarana ny tany ho an’ireo nisoratra anarana teto amin’ny Hafari Malagasy ka hanomboka miaraka amin’izany ny fananganan-trano voalohany ho an’ireo efa tena vonona amin’ny fananganana ny azy. Eto izahay dia misaotra manokana ny minisiteran’ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy ary ny fikambanana Tany Gasy amin’ny fanarahan-dry zareo ny tetikasan’ny Hafari hanangana tanàna vaovao ihany koa. Mankahery azy ireo mihitsy izahay satria tsy ho mora ny hiandry azy ireo amin’izany. Marihiko etoana, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa tena mivelatra tanteraka ankehitriny ny ambaindain’ny Hafari Malagasy noho ny adidy aman’andraikitra hiantsorohany. Voaantso eny amin’ny foibe toeran’ny ONU eto Madagasikara eny Andraharo izahay amin’ny firesahana ny resaka zon’olombelona. Efa manaraka akaiky ny tetikasa Dinika mikasika ny fiarahamonim-pirenena karakarain’ny Vondrona Eoropeanina koa ny Hafari ankehitriny. Anisan’ireo fiarahamonim-pirenena voaasa hanatrika sy handray anjara amin’ny herinandron’ny fananantany araka ny fanasan’ny ONU Habitat izahay. Ny Hafari Iraisam-pirenena moa dia tsy mitsahatra mampita ny vaovao mahakasika ny hetsika ataon’izy ireo any Etazonia any izay miroborobo tokoa. Tsapa araka izany, hoy Atoa Jean Nirina, fa nahatafita hafatra ny Hafari Malagasy hatreto ary hiantso fampihavanana hampandrosoana miaraka an’i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT