Tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny tsy fananan’asa eto amintsika, indrindra fa ny tanora. Mba hahafahana manampy azy ireny ary dia tsy hionona intsony amin’ny fanomanana ny fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana ny CAES na ny Cours d’Appui pour études superieurs etsy
Ankazotokana fa hivelatra amin’ny fanofanana arak’asa ihany koa. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly ny fisian’izany ka ny lalam-piofanana « transit et douane » no hisantarany azy. Any Toamasina avy hatrany no hianatra ny mpianatra raha araka ny fanazavan-dRamatoa Lalaina Dieutrich, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny sekoly. Ny tanjona dia ny mba hahafahan’izy ireo manao fampiharana avy hatrany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina manoloana ny fianarana norantoviny. Hiantohan’ny sekoly avokoa ny saran-dalan’ny mpianatra hihazo an’i Toamasina sy ny trano hipetrahany any. Anjaran’izy ireo kosa ny miantoka ny sakafo, miankina amin’izay mahazatra ny tsirairay. Roa volana monja ny fiofanana dia vita, arahina fizarana mari-pahaizana nanaovana fianarana asa sy ny mifandraika amin’izany. Ny mari-pahaizana Bakalôrea no takiana amin’ny mpianatra. Nomarihin’ny tompon’ny sekoly moa fa anisan’ny mbola malalaka amin’izao ny fanaovana asa manodidina ny transit et douane satria dia afaka manorina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.