Omaly vao nankalazaina teto amintsika ny androm-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikanina, nokarakarain’ny masoivohon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto amintsika, Ramatoa Maud Vuyelwa Dlomo.
Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ny taona 1956 no nanomboka nankalazaina tany Afrika Atsimo ny androm-pirenena ho an’ny vehivavy, isaky ny datin’ny 9 aogositra. Nivadika ho andro tsy fiasana izany, nanomboka ny taona 1994, ho fahatsiarovana ny hetsika nataon’ireo zaza amam-behivavy tany amin’ity firenena iray ity, nanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra, ka nahazoany ny fahafahana tamin’ny alalan’ny filaharambe. Tsy diso anjara amin’izany isika vehivavy Malagasy, hoy hatrany izy, ary tokana ihany ny fahavalo horesena, dia ny fahantrana. Fotoana iray ahafahan’ny rehetra mamondrona ny heriny izao ahafahana mampandroso ny firenena. Saika hita teny an-toerana avokoa mantsy ireo vehivavy mpandraharaha, mpitarika antoko politika maro isan-karazany, ireo minisitra vehivavy teo aloha sy ankehitriny. Vonona izahay, hoy izy, hifanohana amin’ny vehivavy malagasy. Nilaza ny nofinofiny entina hanatsarana ny fari-piainan’ny vehivavy malagasy kosa ny ministry ny mponina, Onitiana Realy, izay nisolotena ny vadin’ny filoham-pirenena. Nambarany fa iriany ny hanafoanana ireo ankohonana tsy manana trano ialofana, ny fanolanana mianjady amin’ny zaza amam-behivavy, ary koa ny fanomezana rano ny any Atsimo. Hijanona ho nofy ihany anefa izany raha tsy mandray andraikitra isika vehivavy, antony nanaovany fanentanana kely ho an’ny tsirairay avy, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.