Natao hitsinjovana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny fomba maharitra no antony anatontosana ny fiofanana ho an’ny komity mpandrindra teknika momba ny fanavaozana ny sehatry ny fandriampahalemana na CTO – RSS izay nanokatra ny dinik’asany etsy Ivandry hoy ramatoa Hawa Ahmed Youssouf, izay solontena manokan’ny Vondrona Afrikanina eto Madagasikara
. Tetik’asan’ny vondrona Afrikanina sy ny DACF na ny mpanara-maso demokratika ny fampandriana fahalemana ny tany izay manana ny foibeny any Genève ny RSS ka ho antsika eto Madagasikara dia niompana tamin’ny fanadihadiana izay zavatra tena ilaina eny an-kianja mba hiadina amin’ny tsy fandriampahaelemana no niaingana volana vitsivitsy izay dia vao izao tonga amin’ny fampiofanana ny sampan’asa voakasik’ity ady amin’ny tsy fandriampahalemena ity izao.
Tsy misy vahaolana
Havondrona ireo fehin-kevitra rehetra voaray ka ho zaraina amin’irets y mpandray anjara amin’ny fiofanana izay atao etsy amin’ny hotely Akoa Ivandry. « Tsy misy miafina aminay ny zava-misy afitsoky ny dahalo any amin’ny faritra samihafa saingy ny an’ny CTO – RSS dia ny vahaolana lavitr’ezaka tsy hiverenena amin’izao zava-misy izao intsony no tanjona ka hiverenena hatrany amin’ny fototry ny olana » hoy ramatoa Hawa Ahmed Youssouf. Ny an’ny CTO RSS izany ny lavitra no mbola manahirana azy fa ny mby an-koditra tsy idirany. Ankoatry ny “Opération Fahalemana “ izany dia tsy mbola hita mazava izay tena ho vahaolana maharitra amin’ity asan-dahalo ity fa dia tsy maintsy miandry ny vokatry ny fanadihadiana ifoton’ny CTO – RSS izany vao afaka miandrandra vahaolana mateza. Tamin’ny laha-teniny kosa dia nanipika mazava ny jeneraly Rakotozafy Dominique fa tsy andraikitry ny mpitandro ny filamianana irery ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana fa tokony hiarahana misalahy. Ny mahagaga anefa dia na efa atolotra ny mpitandro ny filaminana tsotra izao an-tanan-droa aza ny olon-dratsy dia mbola misy ialàna ihany izy ireo sy ny fitsarana rehefa misy olona tiana harovana indrindra raha mpanao politika na manamboninahitra namana amin’ny fandrangarana ny “ présomption d’innocence”
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.