Actualités

Ady amin’ny dahalo Tsy mahomby ny USAD, hoy ny depiote Nicolas


  • Alarobia 14 Desambra 2016

Efa nahazo fankatoavana tamin’ny fitsarana any an-toerana ka efa mihatra any amin’ny distrikan’i Betroka hatramin’ny alakamisy lasa teo ny Dina Fitambarana hoentina mampanjaka ny

fandriampahalemana any an-toerana, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas. Amin’ny kaominina 22 misy any an-toerana dia ben’ny tanàna 3 ihany no tsy manaiky ny hampiharana an’ity Dina ity any aminy noho ny antony ara-politika. Nambarany kosa tetsy an-kilany fa tsy mahomby ny hetsika ataon’ny USAD na Unité Spéciale Anti-Dahalo natsangana any Betroka satria mbola avy aty amin’ny foibe aty Antananarivo no mibaiko azy ireo ka efa lasa ny dahalo vao mihetsika ny zandary ao anatiny.  Tokony ho avy any Betroka mivantana na avy avy any Taolagnaro ny fibaikoana no miainga, hoy izy. Nangina tahaka ny rehetra ny tenako nandritra ny Frankofonia, hoy ny depiote Nicolas.  Niaro ny filoham-pirenena ity depiote ity ary nilaza fa tsy i Hery Rajaonarimampianina velively no sahy hitsabaka amin’ny raharahan’ny fitsarana ka hampisambotra olona mivantana izany, hoy izy, fa manendry ny praiminisitra sy ny mpanatanteraka no asany. Fantatra fa anisan’ny nandrehitra ny raharaha Soamahamanina Atoa Augustin Andriamananoro ka tsy nanaotao foana ny zandary sy polisy nanao ny asany fa nisy antony, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT