Actualités

Ady amin’ny dahalo Mila vondron-tafika manokana i Mandoto


  • Sabotsy 12 Martsa 2016

“Mila hapetraka ao Mandoto ny vondron-tafika manokana iadiana amin’ny dahalo”, hoy ny depiote Andriamboavonjy Nantenaina, manao antso avo amin’ny Fanjakana.

 

Amin’izao ny olon-dratsy sy ny jiolahy indray no tompon’ny tanàna. Faritra mena hatramin’izay nanjakan’ny asan-dahalo ny tapany afovoany andrefan’ny nosy iny. Tao anatin’ny iray volana, tsy latsaky ny folo ny trangana fanafihan-dahalo mirongo basy nahery vaika tany amin’ny Distrikan’i Mandoto, ary tsy hita avokoa ny ankamaroan’ireo omby very, raha ny nambaran’ny depiote  Andriamboavonjy Nantenaina, omaly tetsy Tsimbazaza. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo toa tsy ahitam-panafana ka mampandry andriran’antsy ny vahoaka tsy manana fanantenana intsony, dia manao antso avo amin’ny fanjakana ity solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Mandoto ity, fa “tsy tokony hapetraka any amin’ny faritra Atsimo ihany ny vondron-tafika manokana iadiana amin’ny dahalo, fa haparitaka amin’ireo faritra mena manerana ny nosy, anisan’izany ny ao amin’ny Distrikan’i Mandoto”.

Hampitomboana isa

Vahaolana hita niarahana amin’ny Fokonolona hatreto, hoy ity olom-boafidy ity, dia ny fametrahana ny “Dinan’i Mandoto” ho fanamafisana ny “Dinan’i Vakinankaratra”, izay tsapa fa tsy mahafehy ireo Distrika maro midadasika ao amin’ny Faritra, noho ny tsy fahampian’ny fanentanana. Araka ny fanamarihan’ity solombavambahoaka ity nanohy ny fanazavany dia anisan’ny nampirongatra ny asan-dahalo any an-toerana ihany koa tato ho ato, ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana sy ny fampitaovana, ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana ary ny fitombon’ny tanora tsy an’asa.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT