Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra omaly ny fananganana vondron-tafika vaovao hiady amin’ny asan-dahalo.
Apetraka eo ambany fiahian’ny zandarimariam-pirenena izy ity. Hanenjika sy hisambotra dahalo any amin’izay toerana rehetra misy azy no asany. Re fa ho hentitra kokoa ny fomba fiasan’ity vondron-tafika manokana ity satria sokajiana ho jiolahy mahery fihetsika ny dahalo sady manana fitaovam-piadiana mahery vaika. Tahaka ireny “commando” amin’ny horonantsary mihetsika ireny ity vondron-tafika manokana ity. Henjana ny asa miandry ity rafitra vaovao ity satria tena manao ny ataony ny dahalo amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny, tsy mangalatra omby fotsiny intsony fa tena mandroba fananana, mandoro trano sy mamono olona amin’ny fomba feno habibiana. Heverina koa anefa fa tsara ny hananganana sampandraharaha manokana ihany koa amin’ny dahalo ambony latabatra satria ireo no miaro sy mpibaiko.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.