Actualités

Ady amin’ny dahalo


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Hiara-kiasa amin’ireo dahalo miova fo ny mpitandro ny filaminana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana any amin’ny faritra atsimon’ny nosy dia Amboasary atsimo, Befotaka atsimo ary Betroka.

 

 

 Hisy ny zandary 200 lahy alefa any an-toerana ary mbola hanampy azy ireo ny miaramila.

Banky iraisam-pirenena

Tokantrano  2000 no nanaovan’ny baky iraisam-pirenena fanadihadiana tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina tamin’ny alalan’ilay tetikasa "à l'écoute de Madagascar".Nilaza fa niaina ny fiakaran’ny rano tamin’ny fotoam-pahavaratra farany teo ny 46,2%-n’ireo tokantrano nanontaniana ireo.

Mpianatra any Chine

Mitaky hatrany ny handoavan’ny fanjakana malagasy ny vatsim-pianarana 40 volana tsy voaray ireo mpianatra malagasy any Chine.

Angovo

Tsy tanteraka fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny angovo tokony ho natomboka omaly alakamisy 22 oktobra, noho ny antony tsy miankina amin’ny minisiteran’ny angovo araka ny fanazavana voaray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT