Actualités

Ady amin’ny aretina Sida Manentana sy manampy ny tanora ny Airtel


  • Alarobia 21 Desambra 2016

Manampy sy manentana ny olon-drehetra amin’ny ady amin’ny aretina SIDA ny Airtel, indrindra fa ny tanora.

 

 Tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasany tamin’ireo fikambanana mandray an-tanana ny marary etsy amin’ny hopitaly Befelatanana no nanatanterahany izany. Nisy ny hetsika fanentanana notontosain’izy ireo tany amin’ny Oniversita Andrainjato Fianarantsoa, andro vitsy lasa izay. Tanora manodidina ny 400 isa no vita fitiliana tamin’izany niampy olon-tsotra an-jatony. Samy nanaiky ny maha zava-dehibe ny fitiliana ny aretina SIDA ny rehetra nandritra izany. Ny tanjona mantsy, hoy ny tale jeneralin’ny Airtel Maixent Bekangba,  dia ny mba hahafahana mampihena ny tahan’ireo olona lasibatry ny aretina SIDA manerana ny Nosy sy hahafahana miaro ireo tsy voa. Tsiahivina moa fa miitatra amin-javatra maro ny fiaraha-miasan’ny Airtel amin’ireo fikambanana mandray an-tanana ny marary etsy Befelatanana toy ny fizahana fanafody ho an’ny marary, ny fanomezana fitaovana, ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana. Tsiahivina fa manampy an-tanana ireo olona boka ao Fianarantsoa ihany koa izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT