Mitohy ny fitiliana maimaimpoana ny aretina diabeta karakarain’ny dispansera Ekar Antanimena
Efa nanomboka ny 03 novambra lasa teo izany raha araka ny fanazavan'ny dokotera Seraphine Fernand ary tsy hifarana raha tsy ny 28 novambra ho avy izao. Tanjona ny hahafahan'ny olon-drehetra mitily ity karazan'aretina iray ity. Raha araka ny tarehimarika azo mantsy dia efa ny 40 ka hatramin'ny 50%-n'ireo olona tonga manao fitiliana amin'izao no tratran'ny aretina, izany hoe raha misy olona 70 isa manao fitiliana ao anatin'ny andro iray dia 35 ka hatramin'ny 40 isa amin'ireo dia voa avokoa. Antony mahatonga ny aretina ny fomba fisakafoanana, ny tsy fanaovana fanatanjahantena ankoatra ny lanja izay tsy mifanaraka amin'ny halavan'ny vatana. Nomarihin'ity dokotera ity manokana fa tsara raha maraina be no manao ny fitiliana mba hahitana tsara ny aretina. Rehefa tsy tratra anefa izany dia anisan'ny hahafantarana azy ihany koa ny aorian'ny ora roa tsy hisotroana rano sy tsy hisakafoanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.