Actualités

Administratera sivily Aoka hangarahara ny fanendrena ireo minisitra


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny CRAC na ny cercle des réflexions des administrateurs civils omaly. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa vokatry ny tsy fihainoan’ny fitondram-panjakana no tolo-kevitra nomeny tamin’ny volana Aprily 2014 no tsy nampateza ny governemanta Kolo Roger.

 

 Lohalaharana tamin’izany  ny fametrahana olona tsy sahaza ilay toerana ankoatra ny dépôlitisation de l’administration, hoy ny mpitondra teniny Razafindralambo Rojo. Manao antso avo indray, araka izany, izy ireo amin’izao fiandrasana ny governemanta vaovao izao mba tsy hisy intsony ny kiantranoantrano na ny maha-mpinamana fa ny fampandrosoana ny firenena no jerena. Ankoatra izay dia notsindriany ihany koa fa tokony ho teknisianina no ho maro an’isa ao anatin’ny governemanta saingy teknisianina tena izy ihany koa fa tsy mpisandoka.  Mikasika ny minisiteran’ny asam-panjakana manokana moa dia notsindrian’izy ireo fa tokony ho minisiteran’ny rehetra izy io fa tsy hatao ambanin-javatra tahaka izao. Toraka izany koa ny fiakaran’ny karaman’ny mpiasam-panjakana 7 %. Efa tsara izany, hoy izy ireo saingy tsy mahavaha akory ny olan’ny mpiasam-panjakana. Andraindrain’izy ireo ny fahafahan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hanatanteraka ilay fampanantenana nataony ny amin’ny hanamboarana trano iray isaky ny mpiasam-panjakana miisa 130.000 manerana ny Nosy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT