Actualités

Adin-tany eny amin’ny fitsarana 17 volana farafahaingana vao vita.


  • Zoma 05 Desambra 2014

Mila miharitra fito ambin’ny folo volana ny tsirairay manana raharaha mombana adin-tany eny amin’ny fitsarana vao vita tanteraka ny fikirakirana izany. Anisan’ny dosie mbola mafana ary ahitana olana matetika eny amin’ny fitsarana izy ity

Azo lazaina ihany koa fa tafiditra ao anatin’ny tranga dimy voalohany hisian’ny kolikoly. Raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fananantany dia anisan’ny mahasarotra ity resaka ity ny tsy fahampian’ny  rafitra mazava entina manoro lalana ireo izay manan’olana ka antony iray mampirongatra ny kolikoly noho ny fisian’ireo milaza azy ho “mahalala olona”. Vahaolana efa napetraka, hoy hatrany izy ny fisian’ny “guichet unique” raha hikarakara ny antontan-taratasy mikasika ny tany. Saingy tsy ampy satria eo foana ireo mahitahita, ny ratsy rahateo tsy kely lalana. Raha ny ho tokony ho izy dia tsara hapetraka ny politika mazava momba ny fananantany eto Madagasikara, ary tokony hisy mihitsy rafitra manokana hikarakara izany mba tsy hiverenan’ny olana matetika.    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT