Loza roa, loza telo, loza zato, no nitranga tao amin’ny fokontany Depot Analankininina P/elle 23/44 Toamasina omaly maraina. Hatairana ny an’ireo fokonolona niala an-trano vao maraina nahita ity fatin-jazakely manodidina ny 3 volana eo, nizara roa tamin’ny antsy teo amin’ny fanambanin’ny tratra, ka ny ilany ambony ihany no teo amin’ny arabe.
Raha ny fitantaran’ny mponina mahalala tsara ny toe-javatra tahaka izao, izay tsy vao sambany araka ny filazan’ireo mponina ihany, dia adin’ny mpivady misaraka no nahatonga an’izao loza be izao. Nizara fananana noho ny fisarahana ny mpivady nahavita izao, ka nozaraina roa hatramin’ny zanaka ihany koa. Eo am-pikarohana sy eo am-panaovana fanadihadiana ny mety nahavanona izao fanapahan-droa zazakely noho ny fisarahan’ny mpivady izao, ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, toraka izany koa ny fokontany Depot Analankininina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.