Actualités

Adin’i Arland sy ny mpanao gazety Amin’ny 18 martsa ny fitsarana


  • Sabotsy 27 Febroary 2016

Amin’ny 18 martsa 2016 izao no hitohy ny fitsarana ny raharaha nitorian’Atoa Arland, rain’i Arnaud ireo mpanao gazetin’ny orinasan-tserasera Ma-Tv

 

. Omaly no niakatra fampanoavana ireto mpanao gazety izay ampangain’Atoa Arland ho miray petsapetsa amin’ny mpaka an-keriny ny zanany tany Toamasina ireto noho ny lahatsoratra an-gazety nampifandray ny raharaha fakana an-keriny an’i Arnaud sy ny raharahan’andramena tany Singapour. Omaly dia tonga maro teny amin’ny lapan’ny fitsarana ny fianakavian’ny mpanao gazety izay niandry tao amin’ny kafetaria noho ny fijojon’ny orana. Tonga teny an-toerana ihany koa moa ny talen’ny orinasa Ma-Tv, Radavidson Jorlin Edouard izay naneho ny fankasitrahany ny fanotronan’ny mpanao gazety sy ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety ireo voampanga. Na dia manana ny fomba fijeriny ity raharaha ity moa ny fianakaviamben’ny mpanao gazety manaraka ity raharaha ity dia nanao fanahy iniana tsy naneho hevitra mihintsy fa aleo miandry amin’ny fitoniana ny vokatry ny fitsarana.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT